<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>52</hymn_number>
<lyrics>[C1]
   Ry tanora ô! Avia
   Mitsangàna, mitoria;
   Ambarao 'lay famonjena
   Ka sahia, avia, avia
   Torio Kristy.

[V1]
 Fa vory amintsika izao ny hery
 Ka mendrika hanaovan-tsoa
 Meteza ka ampio 'reo mbola very
 Ho mpino toa antsika koa.
 Ry tanora ô! Avia sns...

[V2]
 Anio no miandry antsika ny tontolo
 Hitondra hazavana soa
 Isika izay voataiza sy voakolo
 No indro irahin'I Jesoa.
 Ry tanora ô! Avia sns...

[V3]
 Ny herin'ny Fanahy no momba antsika
 Hahatomombana ny dia
 Andeha amin'ny endrika sariaka
 No hitoriana an'I Kristy.
 Ry tanora ô! Avia sns...</lyrics>
<title>Avia! Torio Kristy FF52</title>
</song>